<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>790</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jeso ô ! Sakaiza tsara,
 Be ny fitiavanao;
 Tsy mba misy voarara
 Tsy hihavana aminao ;
 // Mahagaga //
 Ny haben'ny antranao.

[V2]
 Jeso ô ! mba manampia
 Izao madinikao izao
 Tsy hivily, tsy hania,
 Fa hanara-dia Anao,
 // He, malemy //
 Nefa be ny herinao.

[V3]
 Jeso ô ! Mpamonjy mora !
 Manampia, mamonje,
 Fa isan-andro, isan-ora
 Misy fahavalo be
 // 'Zay mamely //
 Ka harovanao anie.</lyrics>
<title>Jeso o, Sakaiza tsara FFPM790</title>
<author>G.F. Root</author>
</song>